Ho antsika Radio misy eto faritra Atsimo Andrefana sy Anosy.
Ity misy vaovao lehibe ho antsika.
Ho fanomanana ny tantsoroka ara-pitaovana sy ara-teknika atolotry ny UNESCO amin’ny alalan’ny PBF na (Peace Building Funds) ho antsika:
Ny “Coalition des Radios” dia manao antso avo ho an’ny Radio rehetra amin’ireo toerana voalaza ireo:
TOLAGNARO, TOLIARA, SAKARAHA, ary MOROMBE
mba hisoratra anarana amin’ny fanaovana tombana ny radio izay ho tontosain’ny Coalition des radios.
Ny fisoratana anarana dia 17 hatramin’ny 31 Martsa 2017.
Antsoy ary ny 034 98 491 86 na 032 40 634 16 ary angataho ao amin’ny mailaka: radioatsimo@gmail.com ny taratasy fandraisana anjara.
Ho safidiana aorian’ny tombana ireo radio voaray ka hisitraka ireo tantsoroka ireo koa faingàna ary fa ny valala tsy in-droa mandry eo am-bavahady.

Translate this for me

    Other
    Full Link
    Short Link (X/Twitter)
    Video Preview in progress...